FANTINA sy FINTINA

Nitsidika tampoka ny CO-FDS ny Praimini­sitra, Rajaonarison Mamitiana, afakomaly. Nijery ifotony ny zava-misy sy nankahery ireo tomponandraikitra sy ny vahoaka voakasika ny tenany, tamin’izany. Nanome toromarika koa mba hampandeha haingana sy amim-pahombiazana ny fandraisana andraikitra amin’izao tsy fandriampahalemana izao.

Anisan’ireo mpanolotsaina manokanan’ny Filo­han’ny Fanavaozana Ralaiseheno Guy Maxime. Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny tenany. « Tompon’andraikitra amin’ny fanavaozana eto amin’ny firenena isika rehetra », hoy izy. Tsiahivina fa mpandrindra ny vondrona KFIM, fanorenana ifotony, ny tenany.

Nahitsy ny minisitra misahana ny Fanavao­zana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, nilaza fa te-hijanona amin’ireo ratsy efa niainany tany aloha ireo manohitra ny fanavaozana. « Ireo ilay tena nanao ny tsy mety sy forongony. Aoka ho ny tombontsoa ho an’ny besinimaro no tadiavina raha hametraka fanavaozana fa tsy an’olon-tokana », hoy izy, tany Bongolava.

Fahasidoana nataon’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, ny nanariany ny zom-pirenena maha Malagasy azy, araka ny nambaran’ny depiote « Del kely » tao amin’ny fandaharana « Miara-manonja », omaly. Nambarany fa tsy nisy nanala ny maha Malagasy azy teto. « Izy tenany ihany no nanala ary nisafidy ny nanary izany », hoy izy.

Partager sur: