“Haratonaina” : Ampiasaina ny niomerika

Novokarin’ny Tahirim-bola ampiasaina ho an’ny fampandrosoana (Fid) ny vovonana niomerika « M e tohy » ao anatin’ny tetikasa “Hara­tonaina”. Tanjona ny hanomezan-danja ireo mpisitraka efa mamokatra, hanamorana ny fampiatiana azy ireo amin’ny rohim-pihariana ara-barotra. Hita avy hatrany ao anatin’ny vovonana ireo vokatra (fambolena, fiompiana, taozavatra, sns) rehetra isam-paritra misy ny tetikasa. Sehatra ahafa­han’­ny mpanjifa, ny mpiara-miombon’antoka ary ireo mpisehatra samihafa mahita ireo soa fanararaotra sy azo antoka izany.
Manosika ny mpamokatra sy ny mpisehatra ho matihanina kokoa ity vovonana « M e tohy » ity, amin’ny alalan’ny tranokala www.metohy.com. Mampifandray ara-niomerika ny mpamokatra sy ny tsena mba ho tazana bebe kokoa ka mifandray mivantana amin’ny mpisehatra samihafa.

Antontan-kevitra mora raisina
Ho mora ho an’ireo mpividy sy ny mpiara-miasa ny mahazo ireo antontan-kevitra ilainy sy azo antoka. Mahe­rin’ny 500 ny tantsaha mpamokatra hita ao, avy amin’ny faritra 22 sy distrika 64. Ahitana karazana vokatra manodidina ny 1 200 ao anatin’ny tranokala. Miantoka ny fanelanelanana azo antoka ao anaty mangarahara mba hisian’ny fifanakalozana miralanja ny Fid. Hampiakatra ny fitomboan’ny toekarena anatiny sy ny any ivelany.

Njaka A.

Partager sur: