Lisi-pifidianana : Hitory an’izay manao hosoka ny Ceni

Hanaovana fanenjehana ara-pitsarana izay rehetra tratra manao fanahy iniana misoratra anarana imbetsaka ao anatin’ny lisi-pifidianana. Ny fandikan-dalàna amin’ny fisoratana sy fanoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana dia mampigadra sy mahavery zo.

“Manomboka izao, handray fepetra manokana sy ho sarotiny ary handray andraikitra ny Ceni ka hitory sy hitondra eny amin’ny fitsarana mba hosaziana izay rehetra manao hosoka amin’izao fisoratana anarana sy fandrafetana lisi-pifidianana izao”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, tamin’ny fanombohana ofisialy ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy. Teny Talata Volonondry, faritra Anala­manga, omaly no nanehoany izany. Hanaovana fanenjehana ara-pitsarana izay rehetra tratra manao fanahy iniana misoratra anarana imbetsaka ao anatin’ny lisi-pifidianana. Na izay tomponandraikitra ka manoratra anarana mpifidy tokony tsy hosoratana izany, na izay tomponandraikitra manoratra anarana mpifidy tsy misy akory mba hahazoana manao hosoka sy mangala-bato amin’ny fifidianana: hotoriana ary hosaziana araka ny lalàna. Ny fandikan-dalàna amin’ny fisoratana sy fanoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana dia mampigadra sy mahavery zo. Hatao ohatra ho an’ny hafa ny fanasaziana amin’izany, mba tsy hiverenan’ny toy izany intsony…
Misy fomba dimy ny fahazoana misoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana. Eo ny fanatonana ny biraom-pokontany, ny fitetezan’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE) ny isan-tokantrano, ny fisoratana anarana ana habaka, ny fanoratana anarana avy hatrany ireo vao feno taona ka nahazo karapanondro eny anivon’ny distrika na boriborintany. Fa eo koa ny fanatonan’ny Ceni ny eny ambohi-pihaonana toy ny tsena, toeram-pianarana… Fepetra takina amin’ny fisoratana anarana kosa ny hoe: tsy maintsy teratany malagasy, feno 18 taona no ho mihoatra, manana karapanondrom-pirenena, tsy very zo, voamarina fa monina eo amin’ny fokontany isoratany anarana. Hiverina eny amin’ny fokontany amin’ny 10 janoary 2027 ny lisitra.

R. Nd.

Partager sur: