Tsipy kanetibe – «Tirs de précision»: Hiatrika ny manasa-dalana i Madagasikara

Hiditra amin’ny tsontsorimamba isarahana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy “junior”, lahy sy vavy, anio. Anisan’ireo hiatrika ny manasa-dalana eo amin’ny “tirs de précision” ny Malagasy ka hifanandrina amin’i Thaïlande.

Mitohy hatrany ny vokatra ho an’ny ekipa malagasy sokajy “junior”, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe. Fifani­nanana tanterahina ao amin’ny Kianja Santa Susanna, Espagne. Omaly, nahazo ny tapakila hiatrehina ny manasa-dalana amin’ny tifitra na ny “tirs de précision”, i Madaga­sikara, tamin’ny alalan’i Clarito sy i Nomena.
Hidona amin’i Thaïlande ny Malagasy amin’ity sabotsy ity, eo amin’izany dingana izany. Ho toy ny famaranana kely, araka izany, ny fifanandrinan’ny roa tonta satria anisan’ireo ekipa andrarezina koa ry zareo. Raha hiverenana ny voka-dalao notontosaina omaly, avy hatrany dia ni­ditra tamin’ny ampahefa-dalana ireo ekipa valo nahazo isa be indrindra. I Madagasikara nandresy an’i Turquie, nisy an’i Tosun Yagmur sy i Ceylan Omer, tamin’ny isa 34 no ho 15. Thaïlande kosa nanilika an’i Espagne, mpampiantrano, tamin’ny isa 22 no ho 12. Hifanandrina eo amin’ny ankatoky ny famaranana iray indray i France sy i Belgique. Ry zareo frantsay, nandavo an’i Monaco, tamin’ny isa 29 no ho 22 ary i Belgique nanilika an’i Italie, 28 no ho 14.
Ankoatra izay, mbola ma­nohy ny lalany ihany koa ny ekipa ho an’olon-droa sy ny an’ny olon-telo miaraka, iarahan’ny lahy sy vavy. Anisan’ iza­ny ny nandavoan’i Mada­ga­sikara, tamin’ny isa mazava 13 no ho 0, an’i Angle­terre, teo amin’ny fihodinana voalohany. Hitohy anio ny fifaninanana ho an’ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ity ka hisantatra izany ny ampahavalon-dalana ho an’olon-telo miaraka sy ny olon-droa. Aorian’izay ny manasa-dalana arahin’ny famaranana amin’ny “tirs de précision”. Ny alahady no hatao ny ampahefa-dalana sy ny manasa-dalana ary ny tolakandro ny famaranana.

Tompondaka

Partager sur: