Kitra – Olana fifindrana mpilalao: Miandry fifampiresahana ny FC Rouge

Niresaka mahakasika ny raharahan’ilay mpilalao nifindra mangina tatsy Seychelles, ny ekipan’ny FC Rouge, tompon’ny amboara farany teo, ny sabotsy lasa teo, tetsy Alarobia. Tsy nahazo taratasy fahazoan-dalana tamin’izy ireo ity mpilalaony ity, ka mbola miantso fifampiresehana anatin’ny fotoana voafetra ry zareo.
Raha tsy misy izany, hijery ny lalàna mifanaraka amin’izany fifindrana an-tsokosoko izany, ity ekipa ity mba hisorohana ny zava-misy tahaka izao. Tsy nahafantatra sy tsy nahalala ary tsy nisy ny fifampiresahana teo amin’ny klioba sy ity mpilalao ity, momba izao fifindrana atsy amin’ny nosy rahavavy izao.
Nomarihan’izy ireo ihany koa fa tsy marina ny filazana hoe tsy nisy “mutation” ara-dalana nahazoana an’io mpilalao tao aminy. « Raha nisy izany, tokony efa nisy klioba nanao fitarainana taty aminay, saingy tsy mbola naharay an’izany izahay nandritra ity taom-pilalaovana ity », hoy ny lehiben’ny FC Rouge.
Anisan’ireo mpilalao tafiditra anatin’ny tetikasan’ny FC Rouge hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, ho an’ireo klioba, ity lohalaharana ity, ary efa nisy klioba afrikanina iray naniry ny haka azy saingy efa nifanaraka ny ekipa roa tonta, fa rehefa vita ilay fifanintsanana afrikanina, vao alefa izy.
Mametra-panontaniana moa ny klioba FC Rouge : “Iza no nanome ny taratasy fazahoan-dalana ho azy, ka nafahany nifindra ” ? Tsy mbola manana tanjona ny hisopatra an’ilay mpilalao sy ny hanasazy azy ny mpitantana fa mangataka kosa ny hanajana azy ireo.

F.R

Partager sur: