Norombahin’i Madagasikara fanindroany ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe olon-droa miaraka lahy sy vavy “junior”. Resin’izy ireo tao amin’ny kianja filalaovany i Espagne. Naharitra 95 mn ny fihaonana teo amin’ny roa tonta.
Mbola voatazon’i Madagasikara ny anaram-boninahitra ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, olon-droa miaraka lahy sy vavy, sokajy “junior”, azony tamin’ny taon-dasa 2025. Norombahin’i Nomena sy i Clarito, indray izany tamin’ity. Resin’izy ireo tamin’ny isa 13 no ho 6 i Espagne nahitana an’i Marina sy i Hugo. Fihaonana notanterahina omaly, tao amin’ny kianja Santa Susanna, Espagne. Nitarika tamin’ny isa 7 no ho 0 ny Malagasy vao nanenjika i Espagne rehefa nosoloina an’i Marina i Ainhoa. Nahazo isa 2 izy ireo, taorian’izay. Avy eo niakatra ho 10 ny Malagasy. Nihitsoka kely teo anefa izy mianadahy. Tsy nahavoa kanety i Clarito, nanary isa ihany koa i Nomena ka niakatra tsikelikely i Espagne, ary lasa 10 no ho 6. Taorian’izay, niverina tamin’ny heriny izy dahy. Nanakaiky bosoa hatrany ny kanety natsipn’i Nomena ka nanery an’i Hugo, hitifitra. Tsy nahavoa ny tifitra voalohany. Nanosika ny bosoa hifindra toerana kosa ny faharoa. Mbola tonga indray ny kanetin’i Nomena. Nitifitra i Hugo saingy tsy nahavoa. Naka isa i Marina ka nahazo ary nitifitra i Clarito, hamonoana ny fihaonana. Tsy nahavoa ny voalohany. Nanarina izy avy eo ka voa ny faharoa ary nibatan’i Madagasikara ny fandresena. “Faly aho satria tamin’ity vao azoko ny tompondaka maneran-tany. Tamin’ny herintaona mantsy tamin’ny alalan’ny isa azon’ny ekipa naha tompondaka anay”, hoy izy. Nambaran’Andrianirina Adrien, filohan’ny Federasionina fa tsy nanomana fotoana lava be satria ny talenta efa ao fa roa volana ihany ka nahazoana izao vokatra izao. Tsiahivina fa resy teo amin’ny manasa-dalana avokoa ny “tirs de precision” sy ny olon-telo miaraka.
Tompondaka




