Championnat des Nations U18 : Firenena 4 hiady izay ho lohany amin’ny taranja volley-ball

Handray lalao iraisam-pirenena ny Federasionina malagasin’ny volley-ball (FMVB). Santatry ny fiadiana ny ho tompondakan’ny firenena na ny “championnat des nations”, ho an’ny sokajy U18 zazalahy sy zazavavy. Ankoatra izay, hisy koa ny beach-volley.

Hampiantrano ny andiany voalohany eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny firenena na ny “Championnat des nations”, taranja volley-ball sokajy U18 lahy sy vavy i Madagasikara.
Fifaninanana hotanterahina manomboka anio alarobia ka hatramin’ny 12 aogositra ho avy izao. Io no fampahafantarana nataon’ny Fede­rasionina malagasin’ny volley-ball (FMVB), tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena Maha­ma­sina, omaly.
Miisa efatra ny firenena hiady izay ho lohany amin’izany dia Madagasikara mpampiantrano, i La Réunion sy i Maurice ary i Comores. Ha­nana ekipa telo i Madaga­sikara ka roa eo amin’ny vehivavy ary iray lehilahy. Hanana ny lanjany ity fiadiana ny ho tompondakan’ny firenena ity, araka ny nambaran-dRa­hoilison Hasimbola, tale teknika nasionaly satria amin’ny maha fiadiana ny ho tompondakam-paritra azy, hiadiana ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, izay mbola andrasana ny fandaharam-potoana ny amin’izany.
Nohazavain-dRaharimala­la Léa, filohan’ny federasionina fa mizara roa ny fihaonana ka ny 5 hatramin’ny 9 aogositra ny volley-ball anaty efitrano ary ny 10 sy 11 aogositra kosa indray ny volley-ball, lalaovina ambony fasika na ny beach volley. Io indray dia hatao eny amin’ny tanàna soa Ambohimanga.
Nohamafisin’ny tale teknika nasionaly, fa tsy vao izao akory no niomana tamin’ity ny ekipam-pirenena malagasy fa efa hatramin’ny volana avrily. Maro amin’ireo mandrafitra ny ekipa no efa niatrika fifaninanana iraisam-pirenena, toy ny lalao ho an’ny vaomieran’ny tanora aty amin’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI). Toy izany koa ireo hanao ny beach volley, izay efa niatrika ny fifaninanam-pirenena imbetsaka.

Tompondaka

Partager sur: