Tanora malagasy roa no misolo tena ny faritry ny ranomasimbe Indianina ao amin’ny Parlemantan’ny Tanora Afrikana momba ny Demokrasia. Taorian’ny fifidianana nokarakarain’ny Fototra ny Fanavaozana ho an’ny Demokrasia na ny “Fondation de l’Innovation pour la Démocratie”, ny volana jolay lasa teo, i Espérance Amponga sy i Monja Tsirokay no voafidy hisolo tena ny faritry ny Ranomasimbe Indiana manontolo, ao anatin’ ity parlemantera ity. Hiasa mandritra ny fe-potoana roa taona izy ireo, izay efa nanomboka ny 3 aogositra lasa teo izany.
Sehatra hifanakalozan-kevitra, fisaintsainana, fandinihana ary fiaraha-mamolavola politika momba ny fitantanana demokratika aty Afrika, ity rafitra ity. Manangona ireo tanora mpitarika avy amin’ny firenena samihafa manerana ny kaontinanta izy io mba hampiroboroboana ny demokrasia misokatra kokoa, ka hahafahan’ny tanora mandray anjara feno amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra eo amin’ny sehatra ho an’ny daholobe.
Ao Accra, Ghana, no hanatanterahana ny fanombohana ofisialy ny fivoriana voalohany, nanomboka ny 3 ka hatramin’ny 5 aogositra 2026. Lohahevitra dinihina ny “Demokrasia mampiasa ny herin’ny tanora».
Tsy solontenan’i Madagasikara fotsiny izy mirahalahy ireto fa hisolo tena ny faritry ny ranomasimbe Indianina manontolo ao anatin’ity rafitra Afrikana vaovao natokana hampiroboroboana ny demokrasia ifampizarana andraikitra ity. “Ankoatra ny andraikitra eo amin’ny sehatra kaontinantaly, mitarika tetikasa eo amin’ny faritra ihany koa izahay mba hametrahana ny rafitra fitantanana ny Parlemantan’ny Tanora Afrikana momba ny demokrasia ao amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina”, araka ny fanazavan’i Espérance Amponga.
Mi.Raz




