Fanadihadiana parlemantera : Nodinihina ny fandroahana ny mpiasan’ny Jirama

Nitohy omaly indray rehefa niato kely noho ny fanatanterahan’ireo solombavambahoaka ny andraikiny tany amin’ny distrika niaviany ny asan’ny vaomiera parlemantera manao ny fanadihadiana ny orinasa Jirama.

Nifantoka tamin’ny fandinihana ny fomba fitantanana ireo fanampiana ara-bola omen’ny fanjakana ho an’ny orinasa Jirama ny di­nika. Nifampiresahana tamin’ izany koa ny antony tsy nahafahan’ny vaomiera mpanadihady nahazo ny ampahany amin’ireo antontan-taratasy sy fifanarahana nangatahana.
« Tafiditra amin’izao fitohizan’ ny fanadihadiana izao koa ny raharaha momba ny fandroahana mpiasa sasany teo anivon’ny orinasa, taorian’ny fitarainan’izy ireo fa tsy ara-dra­riny ny fepetra noraisina », hoy ny tatitra nataon’ny filohan’ny vaomiera mpanadihady eo anivon’ny Antenimierampire­nena, ny solombavambahoaka, Rakotoniaina Pety.

Hotohizana hatramin’ny farany

Natsidiny koa fa ho avy tsy ho ela ny fidinana ifotony any amin’ny faritra mba hanamafisana sy hanitarana ny fanadihadiana eny an-toerana.
Nohitsiny hatrany fa tsy maintsy hotohizana hatramin’ ny farany ny fanadihadiana.
« Hatao ny hahavitan’izany amim-pahombiazana mba hitondra vokany amin’ny fanarenana ny orinasa Jirama, ary indrindra mba hahafahan’ny vahoaka malagasy mahafantatra ny marina momba ny fitantanana ity orinasam-panjakana ity », hoy izy.
Tsiahivina fa anisan’ny niatrika izao fanadihadian’ny vaomiera izao ny solontena avy amin’ny orinasa Jirama, notarihin’ny tale jeneraly, ny Jly Rasolomanana Hajatiana. Anisan’ny miara-miasa amin’ ny fanohizana izao fanadihadiana izao ary manatrika izany koa ny eo anivon’ny Fitsarana momba ny kaonty.

Synèse R.

Partager sur: