Manara-maso sy miaro ny fitakiana natao tamin’ny hetsika sy fitakiana nataon’ny Gen Z, ny Komity Miaro ny Tolona (KMT). Antony nifanakalozan’izy ireo hevitra tamin’ny mpitondra fanjakana momba ny dinika politika izany. Nisy ny fifampiresahana nataon’ny biraon’ity Komity ity, ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra, omaly. Nifantoka tamin’ny fandinihana ny toe-draharaha politika sy ny fanomanana ny dinika politika, kasaina hotanterahina tsy ho ela, ny fifampiresahan’ny roa tonta. Manatanteraka ny fanomezan-toky nataony mba tena hipetraka amin’izany fiarovana ny tolona izany, ny KMT, araka ny nambaran’ny filohany, Rakotomavo Lanto. Nanamafy izany ny sekretera jeneraly, Miary Rasolofoarijaona.
Tsiahivina fa niforona taorian’ny hetsika an-dalambe notarihin’ny Gen Z, ny KMT, ny volana septambra 2025. Eto Antananarivo no foiben-toerany fa eo koa ny any amin’ny faritra. Miisa 36 ireo fikambanana mandrafitra ny komity. Ahitana fiarahamonim-pirenena, antoko politika, sendikà, ary solontenan’ny tanora Gen Z. “Tsy tokony hijanona ho fampanantenana sy tsy tanterahina ny fitakian’ny mpitolona. Anisan’ny andraikitry ny KMT izany ary antony nananganana azy”, hoy izy ireo. Anisan’ny arovan’izy ireo koa, ny fitakiana ny fahalalahana maneho hevitra, fahafahana miditra amin’ny haino aman-jery ho an’ny daholobe, fikarakarana fifidianana mangarahara, manomboka amin’ny fifidianana eny anivon’ny fokontany.
Nomarihan’ny filohan’ny KMT fa manao fivoriana sy manao fanambarana tsy tapaka mba hanaraha-maso ny fitakian’ny tanora Gen Z izy ireo.
Mi.Raz




