Tolo-kevitry ny minisiteran’ny Fitsarana: Havadika ho asa ho an’ny vahoaka ny sazy famonjana

Nivoitra tamin’izany ara­ka ny nanambaran’ireo iraky ny minisiteran’ny Fitsarana tany an-toerana fa havadika ho asa fanasoavam-bahoaka ny sazy famonjana, manomboka izao. « Efa vonona any ny volavolan-dalàna momba izany ary hatolotra ny fahefana mpanao lalàna, eny anivon’ny Antenimieram­pire­nena », hoy izy ireo.
Ankoatra izany, nambaran’ireto delegasionina ireto fa ahazoana rosia na tapakila avokoa ny vola aloa rehetra eny anivon’ny fitsarana. « En­tanina isika mba tsy hitady fanelanelanana avy amin’ny olona tsy mazava na koa tsy ara-dalàna. Aoka isika hanatona ny lehiben’ny fitsarana raha misy ny olana na ahiahintsika », hoy ihany izy ireo.

Lalàna efa lany andro…

Samy nanambara ny ola­na sy tsy nitsitsy fitenenana ireo nanatrika izao fihaonana izao. Anisan’izany ny nilazan’ny sasany ny amin’ny tokony hitovian’ny olom-pirenena manoloana ny lalàna sy ny fitsarana. Niantso sy nanentana ny rehetra koa ireo nandray fitenenana mba tsy hangina fa hijoro manoloana ny tsy mety. «Matetika efa mihatra aman’aina ny zava-misy eo amin’ny tontolon’ny fitsarana… Aoka isika tsy hanaiky ho tampenam-bava», hoy izy ireo. Nisy nanolo-kevitra ny amin’ny tokony hisian’ny tomponandraikitra eo anivon’ny fitsarana hikaroka sy hijery ireo lalàna efa nilaozan’ny toetrandro. Nohitsin’ny hafa kosa fa efa tsy hatao ihany ny fanamelohana ho faty ka tokony hotanterahina ary tena hatao ilay asa an-terivozona. « Hiasa hanasoa vahoaka. Ohatra, amin’ny fanamboaran-dalana », hoy ireo nandray fitenenana.
Tsiahivina fa nanolotra ordinatera miisa roa ho an’ny fitsarana ao Antsohihy ireo iraky ny minisitera.

Synèse R.

Partager sur: