Baolina kitra – Fifaninanana afrikanina : Fc Rouge vs Arrows FC Zambie, CFFA vs Lijabatho FC Lesotho

Fantatra avokoa ireo ekipa hifanandrina amin’ireo solontena malagasy eo amin’ny fifaninanana afrikanina, taranja baolina kitra. Ny Arrows FC Zambie ny an’ny FC Rouge ary ny Lijabatho FC Lesotho, hifanandrina amin’ny CFFA.

Tontosa omaly, tany Le Caire Egypte, ny antsapaka nahalalana izay ekipa hifanandrina eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka sy ny amboaran’ny kaonfederasionina afrikanina, taranja baolina kitra. Fantatra àry fa hifandona amin’ny Lijabatho FC Lesotho, ny CFFA eo amin’ny ho tompondaka ary ny Arrows FC Zambie kosa ny an’ny FC Rouge ho an’ny amboaran’ny Caf.
Samy hiatrika ny lalao savaranonando avokoa ireto solontena malagasy ireto, ka hampiantrano ny lalao mandroso ny 4-6 septambra ary ny 11 – 13 septambra ny fihaonana miverina. Raha toa ka tafavoaka amin’io izy ireo, hifanandrina amin’ny Kaizer Chiefs ny FC Rouge eo amin’ ny fihodinana faharoa ary ny Mouloudia Club Alger, ekipa nilalaovan-dRakool fahiny mi­andry ny CFFA. Mbola handray ny lalao mandroso hatrany ny ekipa malagasy ny 16 – 18 oktobra ary ny 23 – 25 oktobra ny miverina. Hatreto, tsy mbola fantatra izay kianja handraisan’ireto ekipa malagasy ny mpifanandrina ami­ny, noho ny tsy mbola fahazoan’ny Mahamasina fankatoavana avy amin’ny Caf.

Tompondaka

-Randriamiara Hasina (Filo­han’ny FC Rouge) : Tsy mahafantatra io ekipa io izahay. Na izany aza, efa miomana. Ao Maurice no tianay handraisana azy ireo saingy miankina amin’ny zava-misy. Efa misy mpilalao 6 “renforts” nantsoina.

-Franck Rajaonarisamba (Mpa­nazatra CFFA) : Tsy manamaivana ekipa mpifanandrina mihitsy izahay ary ny baolina kitra ao Lesotho, mivoatra be. Efa vonona ary efa ao anaty fanomanana tanteraka izahay, izao. Ireo “renfort” rahateo efa miara-mikotrana aminay daholo. Raha ny safidiko izaho mpanazatra, ao Maurice no hanaovana ny lalao mandroso.

Partager sur: