FANTINA sy FINTINA

Ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, ny solontenan’ny Avi, Ratsirahonana Norbert Lala sy ny depiote, R. Zavamanitra. Samy noraisin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël teny Ambohitso­rohitra, omaly sy afakomaly. Tafiditra amin’ilay dinika politika, efa nambaran’ny filoham-panjakana izany.

Anisan’ny efa nihaona tamin’ny FFKM ny avy amin’ny Fikambanan’ireo firenena aty Afrika sy Karaiba ary Pasifika (OEACP), tamin’ity herinandro ity. Nitarika ny delegasionina, Moussa Saleh Batraki. Voaresaka tamin’izany ny fitarihan’ny fiangonana ny fikaonandoham-pirenena. Noraisin’ny filoham-panjakana koa izy ireo, omaly.

Hatsangana eny Ankatso ny «Vohitry ny fahitsiana». Toerana ho an’ny daholobe, hampahafantarana ao ny andraikitra sy ny asa sahanin’ny rafitra miady amin’ny kolikoly, ireo sampandraharaha, ny fiarahamonim-pirenena ho amin’ny fampiroboroboana ny fahitsiana. Hatao eny Ankatso ny 1 sy 2 oktobra izao ny fihaonan’ny tanora ho an’ny fahitsiana.

Hohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny ara-pitsarana eo amin’ny Frantsa sy i Madagasikara. Nivoitra izany tamin’ny nandraisan’ny minisitry ny Fi­tsa­rana, Fanirisoa Ernaivo, omaly, teny Faravohitra ny delegasionin’ny masoivoho Frantsay, nahitana ny “Attaché de Sécurité Intérieure – ASI», ny Kly Olivier Guillon.

Partager sur: