Tetikasa GPS, ranomasimbe Indianina : Hosorohina ny korontana amin’ny fifidianana

Notanterahina tany Moroni, Kaomoro tamin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra, hatramin’ny omaly ny atrikasa momba fifidianana aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.

Mametraka ho ambony ny fitantanana sy ny filaminana ary fitoniana ny fifampizarana tamin’izao fihaonana izao. Natao koa ialana amin’ny disadisam-pifidianana matetika miseho.
Anisan’ny nisolo tena an’i Madagasikara tamin’izany atrikasa izany ireo depiote mpikambana eo anivon’ny Fikambanan’ny antenimiera ao amin’ny Vaomieran’ny ra­nomasimbe Indiana (AP-COI). Anisan’izany ny solombavambahoaka, Rafidimanana Narson, Raholijaona Harson, Andrianasolo Nadine ary Raby Savatsarah Gabrielle.
Nambaran’izy ireo tamin’ny fandraisam-pitenenana ireo fanamby mifandraika amin’ny fanavaozana ny rafitry ny fifidianana. Teo koa ny famelabelarana ny loza sy ny ko­rontana mety hiseho amin’ny fifidianana sy ny ho fisorohana izany. Niaraka nizara traikefa sy fomba fijery tamin’ireo so­lontenan’ny Antenimiera, ireo vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana avy amin’ireo firenena mpandray anjara.

Rafitra ara-dalàna mifehy ny fifidianana

Anisan’izany koa ireo fi­kambanana sy ny mpiara-mi­ombon’antoka avy aty amin’ny ranomasimbe Indianina. «Tan­j­ona ny hanamafisana ny fahalalan’ireo mpisehatra ara-panjakana momba ireo fenitra iraisam-pirenena mifehy ny fanavaozana ny rafitry ny fifidianana. Hampiroborobo ny fifampizarana traikefa sy fomba fanao tsara, ary hanohana ny fampiharana ny fanavaozana ny rafitra ara-dalàna mifehy ny fifidianana», hoy ireo nitarika ny atrikasa sy ny fifampizarana.
Tsiahivina fa nokaraka­rain’ny eo anivon’ny «Réseau Électoral de l’Océan Indien -REOI» sy ny sekretera jeneralin’ny vaomieran’ny ranomasimbe Indiana (COI) izao atrikasa izao. Tafiditra ao anatin’
ny tetikasa «Gouvernance, Paix et Stabilité – GPS », miaraka amin’ny fanohanan’ny «Agence Française de Déve­lop­pement – AFD».

Synèse R.

Partager sur: