Tsy miankina amin’ny vola fanampiana, ny fotodrafitrasa na ny lalàna vaovao ihany ny fampandrosoana, araka ny nambaran’ny mpanao politika, Zaza Ramandimbiarison. Nambarany fa tsy ho feno ny fanavaozana an’i Madagasikara raha tsy miaraka amin’ny fanavaozana ny toe-tsaina sy ny fahatsiarovan-tenan’ ny tsirairay.
Nifanakalo hevitra momba toe-draharaha politika sy ny fijoroany manoloana ny rafitry ny fanjakana ny antoko Tim any Ambilobe sy Ambanja. Nitarika izany ny sekretera jeneraly, Randriamasinoro Ny Riana. Voaresaka ny fiomanana amin’ireo tetiandro rehetra napetraka ka miafara amin’ny fifidianana ny taona 2027.
Mitohy ny fampitaovana ny Andrimasompokonolona ho an’ny eto an-dRenivohitra. Anisan’ny nisitraka izany ny boriborintany fahadimy, amin’ny fahazoana kiririoka sy telefaonina ary « Gillets », jiro fanao am-paosy. Tanjona ny hanamafy ny filaminana sy hiaro ny vahoaka manoloana ny halatra sy fahaverezan’ olona ary ny tranga mampiahiahy.
Handinika ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny antoko MFM, rahampitso etsy 67 Ha. Anisan’ ny hiompanan’ny fihaonana ny momba ny rafitra itantanana ny firenena. Efa mazava ny hevitry ny « Mafana » fa fametrahana faritra 28 sy fanomezana fahefana eny ifotony no hany ahafahana mampandroso ny firenena. Fotokevitra efa novoizin’ity antoko ity izany.




