Fivorian’ny SADC any Durban : Handinika ny momba an’i Madagasikara indray

Hotanterahina ao amin’ny Centre International des Con­férences any Durban, Afrika Atsimo, ny 17 aogositra izao, ny fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Sadc, andiany faha-46. Tafiditra ao anatin’ny lahadinika ny toe-draharaha poli­tika eto Madagasikara izay handray anjara rahateo.
Ankoatra izany, anisan’ny lohahevitra iaraha-midinika amin’ny fihaonana ny fananganana orinasa afaka miatrika sedra maharitra, amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fotodrafitrasa. Toraka izany ny fampivoarana ny sehatry ny fambolena sy ny momba ny akora mineraly tena ilaina, ho amin’ny tontolo mirindra sy ara-drariny kokoa.
Efa nandray anjara tamin’ ny fihaonana an-tampony natao ny 29 jona lasa teo tamin’ny alalan’ny ampitain-davitra ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël. Mbola ho any Durban koa ny tenany afaka herinandro.
Tsiahivina fa anisan’ny fitakian’ny Sadc amin’izao fihaonana an-tampony manaraka izao ny tetiandro amin’ny fifidianana, ny fametrahana ny fitoniana sy filaminana ary ny fanajana ny demokrasia. Anisan’izany ny fampitsaha­rana ny fanenjehana mahakasika politika, ny famoahana ny gadra politika, ary ny hampodiana an-tanindrazana ny mpialokaloka politika any ivelany.

Mi.Raz

Partager sur: