Mahamay ny kianja

 

Mahamay ny kianja hilalaovana politika amin’izao fotoana izao. Mipoipoitra daholo ny andrarezina, manana ny maha izy azy. Nanaitra ny olon-drehetra ny fahitana ny filohan’ny antoko Avi, niakatra teny an-dapa. Tsy nisy nipika ny dinika fa ny azo ambara, matoa mivoaboaka iny « raiamandreny » iny, efa misy raha ao izay ! Tsy azo hodiana tsy hita ny fivoaran’ny zava-drehetra ankehitriny. Indrindra ny fahaiza-manaon’ilay rangahy. Antitra mampiady kalo !
Ankilan’izany, manomboka miakamiaka-pofona ireo nilaza fa angady nanana sy vy nahitana ny tolona : ry Gen Z. Efa mandeha ny fantsy sy ny vavabe any amin’ny tambajotran-tserasera. Sorena ampiahiahiana ny amin’ny mety ho fiverenan’ny mpitondra teo aloha. Efa miaka-pofona tsy mankasitraka ny « dinaozaoro » politika. Ny manivaiva amin’ny vavabe, ny manatsatso amin’ny eson-teny. Ny sarintsarin-teny hafahafa tsy lazaina intsony.
Manahirana ny zava-misy sy iainana. Ny azo ambara anefa dia tena zava-dehibe sy mariky ny fitiavana tanindrazana ny fiverenan’ny filohan’ny Fanavaozana lalana, amin’ny fisokafana. Mariky ny fahamatorana politika ny fanomezan-danja ny olona voky traikefa. Tena ilaina ny fifanomezan-tanana sy ny fifanohanana amin’ny zanaka sy ray aman-dreny. Inoana fa tsy hanalo-bato mafana anefa izy ireny fa tena ho mpitari-dalana sy mpanoro ankitsim-po.
Ilay hambom-po diso toerana matetika no namoa-tsampona teo amin’ny firenena. Misy fotoana tsy maintsy hanetren-tena, hakana ny hevitry ny maro izay mahataka-davitra. Tsy vitan’ny miolonolona ny raharaham-pirenena. Efa iaraha-mahita rahateo ny tombana ho an’ny fanavaozana. Na ny mpanohana sy nametraka azy aza kivy sy diso fanantenana. Tsy misy ny tonga lafatra, zava-dehibe ny ezaka vita, handrasana ny fanatsarana amin’ny ho avy.

r.r

Partager sur: