Rehefa tezitra amin’ny tomanin-janany ny reny na ny tabataban’ny mpianatra ny mpampianatra dia heno hatrany ny hoe : Mangina fa mankarenin-tsofina. Tato ho ato, tsy vitan’ny mankarenina fa mankadilo ny besinimaro ny resa-bola ao anatin’ny ekipam-pirenena. Nitaky azy ny mpilalaon’ny Makis Ladies. Nahamenatra fa hitan’izao tontolo izao, nidongy teo afovoan’ny kianja izy ireo. Izao indray, mitaky ny anjara karamany ny mpanazatra ny Barea taloha. Tsy miova fa dia ny hoe: Omeo, omeo hatrany. Samy manana ny filazany ny itakiana sy ny mpitaky. Tsy fantatra intsony izay mandainga sy manana ny marina.
Etsy ankilany, ny mpandrehitra afo sy ny mpampirisika manginy fotsiny. Manao izay hampirehitra tanteraka ny hatezeran’ny mpitaky “trosa”. Na izany aza misy ny fitakiana diso toerana sahala amin’ny salaka an-dohan’arabo. Karama sy tambin-kasasarana no takina ka fanesorana amin’ny toerany ireo mpitantana no setriny ataon’ny hafa. Dia samy mitaky hoe : Omeo, omeo.
Zary mipetraka an-kilahila ilay taranja. Mifanome tsiny am-pitoerana ny rehetra. Mifamahofaho ny raharaha, tsy hita izay ho raisina. Na izany aza, ny sasany efa leo ny ampitso, ampitso lava. Tsy manaiky fampiandrasana lava, mila valiny izao dia izao ka mitaky hoe : Omeo, omeo. Mampahalelo, tsy misy intsony ny fifanajana eo amin’ny mpitantana sy ny atleta, eo amin’ny mpitondra sy ny mpanazatra fa
ny mitaky hoe : Omeo, omeo hatrany. Tsy aleo ve manao tahaka ilay tovovavy mijery fitaratra ê! Mifanatrika tsy mifandesoka. Mitodika tsy mifandefona ivoho. Ny mikitaotaona ho mari-toerana. Ny mivilana hahitsy ka tsy hisy hitaky intsony hoe : Omeo, omeo.
Tompondaka




