Andiany fahadimy amin’ireo mpitarika politika noraisin’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël ny filohan’ny Antenimiera, ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny sy ny filohan’ny Ceni, Rakotonirina Thierry, ny herinandro teo. Tafiditra amin’ny dinika politika izany ka niresahana ny raharaha politika.
Mitsipaka ny fivoizana ny federalisma ny ben’ ny Tanànan’Antsiranana sady administratera sivily, Djavojozara Jean Luc, ny herinandro teo. Nohitsiny fa efa federalisma izao misy antsika izao. « Voasoratra anatin’ny lalàna fa manana fahefana feno hampandroso ny kaominina ny ben’ny Tanàna. Samia mampandroso », hoy izy.
Ny vahoaka no tompon’ny teny farany amin’ ny rafitra hitantanana ny firenena fa tsy ireo olona mitonona ho nahavita fihaonana tany ambadika tany, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny HVM, Rakotovao Rivo. « Fifidianana Lalàmpanorenana no tokony hatao eto fa tsy fitsapankevi-bahoaka toy ny teo aloha », hoy izy tany Ambatondrazaka.
Firenena tokana, malalaka amin’ny fivezivezena ny eto. Olana ny fitsinjarana vola sy fahefana ary fitantanana, araka ny nambaran’ny mpitarika ny antoko Gasy Mi, Zafivao Jean Louis. « Miankina amin’ny mpitantana eny ifotony : kaominina, faritra ny fampandrosoana. Manana fahaleovan-tena ara-bola sy fitantanana ary politika ireo », hoy izy.




