Karaman’ny Coach Rôro: « Efa voaloa avokoa ny anjaran’ny FMF »

Namaly an-dRakotondrabe Romuald (Coach Rôro), mpanazatra ny Barea, ny amin’ny tsy mbola nandoavana ny karamany ny federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nitondra fanazavana mahakasika izany, tamin’ny mpanao gazety, teny Carion, omaly, Ratovohery Solo, filohan’ny vaomieran’ny fifaninanana sady komity mpanatanteraka. “Efa nanao fanamarinana ny federasionina fa efa voaloa avokoa ny anjarany, hatramin’ny novambra 2024”, hoy izy. Notsiahiviny, efa na­metra-pialana tsy ho mpanazatra ny Barea A ny Coach Rôro, taorian’ny lalao tamin’i Tunisie. Efa tapaka ny fifanarahana taminy.
Taorian’izay, nitady mpanazatra ny federasionina, nahazo an’i Corentin Martins. Nanamafy ity tomponandrai­kitra ity fa fifanarahana eo amin’ny telo tonta, dia ny fanjakana sy ny FMF ary ny Coach Rôro no nisy. 60 % anjaran’ny fitondrana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, ary ny 40 % an’ny FMF. “Tsy mi­dika izany fa tsy azo atao ny mifanatona sy miresaka ka iaraha-mijery hoe inona no tsy mbola voaloa, iza no tsy nandoa ny anjarany. Atao anaty birao izany fa tsy ety amin’ny tambanjotra serasera”, hoy Ratovohery Solo.
Nambarany fa ny fiton­drana ny Barea A ihany no misy fifanarahana eo amin’ny FMF fa ny ambiny, fankasitrahana arakaraka ny vokatra azony. Efa nisitraka izany, ny Coach Rôro, nandritra ny Chan indroa misesy.

Tompondaka

Partager sur: