Kly Randrianirina Michaël : Miantso fihavaozana ara-tsaina sy fanahy ny filoha

Nankalaza ny faha-30 taonany ny Fiangonana Apokalypsy maneran-tany (Fam), afakomaly, tetsy Mahamasina. Niatrika izany ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël. Nampita hafatra ho an’ny rehetra izy.

Nanotrona ny Fiango­nana Apokalypsy ma­neran-tany ny filohan’ ny Fanavaozana, ny Kly Ran­drianirina Michaël, afakomaly, teny Mahamasina. Nampa­hatsiahy ny soratra Masina, «Indro havaoziko ny zavatra rehetra… » izy tamin’ny fifampizarana nataony. « Ndao isika hanavao an’i Mada­ga­sikatra. Hohavaozintsika ma­nomboka amin’ny saina sy ny ara-panahy izany », hoy izy. Nambarany fa anisan’ny na­hagaga azy dia amin’ny fo­toana hivavahana tahaka izao no mamono olona ny « Mai­zina », mandatsaka ran’olona, hanonganana ny fanjakana.
Mbola niantso ny rehetra ny tenany ny amin’ny ialana amin’ny kolikoly sy ny fitiavan-tena ary ny fitiavam-bola. Nohamafisiny tamin’ny alalan’ ny soratra Masina avokoa izany. Nohamafisiny : «Atolotr’i Jesosy ho resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao ka lalana iray no ivoahana hanatona anao fa lalana fito kosa no andosirany eo anoloanao. Handresy isika ». Nanentana ny vahoaka Malagasy ny tenany avy eo ny hitarihana ny rehetra ho any amin’ny mazava, manoloana ny « Mai­zina ».

Hiady amin’ny « Maizina »

Nirary ny 30 taona manaraky ny fiangonana Apoka­ly­psy ny filoham-panjakana mba hanohy hiady amin’ny maizina eto Madagasikara. Mbola notsiahiviny ny teny nambarany tamin’ny FFKM fa tonga hatrany hanome voninahitra ho an’ireo fiangonana rehetra miady amin’ny « Mai­zina » ny tenany.
Nanolotra vola 20 tapitrisa Ar ho solon-tsakafo sy saran-dalana ho an’ny mpino avy lavitra ny filoham-panjakana. Mbola nanome 20 tapitrisa Ar koa ho an’ireo miahy ny zaza sy ny mahantra eo anivon’ny fiangonana.
Notolorana ny mari-boninahitra “Grand Officier de l’Ordre National” ny Pasteur Mailhol André Christian Dieu Donné nandritra ny fotoam-pankalazana.

Synèse R.

Partager sur: