Mihamazava amin’izao fotoana izao ny zotra politikan’ny fanavaozana ny Repoblika. Mivelatra amin’ny ankolafin-kery rehetra. Tsy ankanavaka loko fa afaka mandray anjara daholo na ny volomboasary aza. Efa hitahita soritra izany ankehitriny. Tsy maintsy miditra amin’izay rahateo noho ny hamehana maro isan-karazany. Iaraha-mahita fa tsy araka ny nantenain’ny mpitolona ny vokatra nentin-dRamiaramila dimy lahy. Mainka nijejy ny raharaha manga.
Manoloana izany, diso kajy tanteraka aloha ry Gen isan-tokony. Tsy araka ny niheverana azy ilay fanavaozana satria ny rafitra tsy voakitika. Ny olona no niovaova fa ny fomba amam-panao ny teo ihany no teo. Angaha hita ! Fa izay aloha no misy dia samy mizaka ny tojo azy. Miandrandra am-paharetana ny tena ho fiovana sy fanavaozana nilokalokana. Efa zatra miandry fa gasy ka tsy manam-pidiny fa miaritra ny tian-kano tsy tia an-kano.
Ny zava-dehibe aloha, mitohy ny raharaham-panjakana. Mandeha ny fametrahana vato fototra, sy fitokatokanana zava-bita. Mbola misy vola any amin’ny kitapom-bolan’ny fanjakana. Afaka matoky ny mpiasam-bahoaka fa tsy ho tapaka akory ny karama. Maika aza mihatsara izany noho ny majiamajian’ny mpitondra. Mahavita fahagagana amin’ ny fanomezana fahafaham-po sy fampifalifaliana ny fahafaham-po ny Malagasy. Samy mahazoazo ny anjarany eny daholo na ny madinika na ny any amin’ny faratampony.
Manomboka ny herinandro anio, mifanojo amin’ny fankalazana ny datin’ny 10 Aogositra. Nisian’ny tolom-bahoaka sy faty olona mikararana teny Iavoloha ny taona 1991. Nisinisy ny ra latsaka, raha nikasa ny hanafika ny Lapan’ny Iavoloha ry zalahy nanongana an-dRatsiraka Didier. Fakana lesona ireny. Ho entina mibanjina ny ho avy ihany koa. Fitiavan-tanindrazana !
r.r




