Any Mahajanga ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, miatrika ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny lalao nasionaly ara-panatanjahantena an-tsekoly. Naharitra efatra andro izany lalao hatao an-drenivohitr’i Boeny izany. Tanjona ny fampiraisana ireo tanora avy amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy, hanehoana sy hitsirihana ireo talenta vaovao.
Nanao hetsika tsy fankasitrahana ny sefo fokontany ao Ambohitrinilanitra, Ampanotokana, distrikan’ Ambohidratrimo ireo vahoaka any an-toerana, omaly. Anton’izany ny ambaran’izy ireo fa fanararaotam-pahefana nataon’izany mpitantana izany, tao anatin’ny 16 taona nitantany ny fokontany.
Niainga, omaly 10 aogositra avy eto Antananarivo ny andiana miaramila miisa 500. Hihazo ny any Ambakireny hanatanteraka iraka fanamafisana ny fandriampahalemana any amin’ireo faritra voakasiky ny hetsika « Toko telo » izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany indrindra ny ao Ankarafantsika sy ny any Pangalanina.
Noraisin’ny lehiben’ny faritra Boeny, Adakalo Nasolo, ny lehiben’ny faritra Analamanga, Raharinirina Clemence, omaly, tao amin’ny “La résidence Faritra Boeny”. Nambaran’ny tompon-tanàna fa sambany no nandraisany ara-pomba ofisialy tahaka izao ary nanamafisany ny fahavononany hiara-hiasa ho fampandrosoana ny faritra roa tonta.




