Hosoka sy fanodinkodinam-bola… : Hotsarain’ny fitsarana tampony, i Sahondrarimalala Marie Michelle

Anisan’ireo voampanga amin’ny raharaha fanodikondinam-bola ny minisitra teo aloha, Sahondrarimalala Marie Michelle. Hotsarain’ny Fitsarana an-tampony izy.

Namoaka fampahafantarana ofisialy ny eo anivon’ny Pac, omaly fa anisan’ny voarohirohy amin’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana ity minisitry ny Fanabe­azam-pirenena teo aloha ity. Ahina hahavoasaringotra ny filoham-pirenena teo aloha sy ny fianakaviany akaiky iray koa izany, araka ny fampahafantarana. «Ny famotorana no ahafahana mamaritra izany. Marihina koa fa tsy manana fahefana hitsara sy hanenjika azy ireo ny Pac noho ny sata manokana miaro azy ireo. Ha­tolotra ny fitsarana tampony, araka izany, ny fanenjehana sy ny fitsarana an’i Sahondra­rimalala Marie Michel», hoy ny eo anivon’ny Pac.
Tsiahivina fa naverina vonjimaika eny Antanimora ireo voasaringotra amin’izao raharaha izao, araka ny fanapahan’ny Pac ny herinandro teo. Miisa sivy ireo voarohirohy miaraka amin’ny orinasa miisa telo. Miisa dimy ireo tonga niatrika ny fitsarana ary ny telo kosa tafatsoaka any ivelany.

Vola nanjavona

Anisan’ny vesatra iampangana azy ireo ny fanararaotam-pahefana, ny fanomezana tombondahiny manokana, famotsiam-bola, hosoka, firaisana tsikombakomba ary fahazoana tombontsoa, tsy ara-dalàna. Ao anatin’izany ny nanjavonan’ny vola mitentina 833 236 00 Ar tokony ho nanamboarana dabilio miisa 1 841. Findramana anaran’olon-kafa amin’ny fitantanana orinasa nefa hafa ny tena tompony…
Tsiahivina fa efa niverina depiote ity minisitra teo aloha ity ka noesorin’ny birao maharitry ny Antenimiera ny zo tsy ahazoana manenjika azy ny 5 janoary teo, ahafahan’ny fitsarana manenjika azy. Nosa­vaina ny tranony taorian’izany ka voatazona teny amin’ny «Police economique» izy. Na­findra teny amin’ny Brigade Criminelle Anosy indray, na­nomboka tamin’ny 9 janoary 2026. Niakatra fampanoavana teny Anosy ny 19 janoary 2026 ary nampidirina vonjimaika teny eny amin’ny fonjan’ Avaradrano. Izao niakatra teny amin’ny Pac izao ny ra­haraha ary iandrasana ny fi­tsarana tampony.

Synèse R.

Partager sur: