FANTINA sy FINTINA

Noraisin’ny filohan’i Tchad, ny Maréchal Mahamat Idriss Déby ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël, omaly, tao amin’ny lapam-panjakana Toumaï, N’Djamena. Nitohy tamin’ny fihaonan’izy mirahalahy tamin’ny filoham-panjakan’i Guinée-Bissau, ny Jly Horta N’Tam izany. Nifampizara hevitra ny telo tonta tamin’izao fihaonana izao.
Tsy misy hery na fahefana afaka mitsabaka amin’ny raharaham-pifidianana karakarain’ny Ceni, na iza na iza, araka ny nambaran’ny filohany, Rako­tonarivo Thierry, omaly teny Alarobia. Nanteriny koa fa tsy misy azo esorina ny mpikambana eo anivon’ny Ceni. « Fe-potoana enina taona no fotoam-piasanay ary tsy azo havaozina », hoy izy.
Hiroso amin’ny fanohizana ny hetsika fisoratana anarana biometrika, ny fanjakana. Hisy ny fanatsarana ny asa manodidina izany, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana. Hezahina ny fametrahana ireo olona eny ifotony izay mahalala tsara ny andraikiny.
Mitaky ny hanalana ireo efatra mirahalahy miara-mitondra amin’ny Kly Randrianirina Michaël, ny mpitarika ny CRN, Tabera Randriamanantsoa. Nohi­tsiny fa tsy mety izany olona dimy miara-mitantana. « Miverena koa amin’ny fanapahan-kevitrao tany am-boalohany. Ravao ny Andrimpajakana niteraka olana. Hirosoana ny dinika politika », hoy izy.

Partager sur: