Fihaonana tamin’ny filoha Tao Tchad: Mangataka mba ho afa-mifidy ireo “Diaspora”

Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, any Tchad, ny fihaonana tamin’­ ireo Malagasy milaravinahitra any an-toerana. Nisy ny tafa sy fihainoana azy ireo, omaly, na dia vitsy aza ireo Malagasy monina any Tchad, izay miisa 20 mahery eo. Efa fanaon’ny filohan’ny Fanavaozana rahateo ny mamaly ny olana sedrain’ny Diaspora tamin’ireo iraka nataony teo aloha ary efa saika voavaha avokoa izany olana izany.
Ho an’ny Malagasy ao Tchad, maniry ny hizara ny traikefany ho an’ireo tanora malagasy izy ireo. Teo ihany koa ny faniriany hitondra anjara biriky ho fampandrosoana an’i Madagasikara ary vonona ny hampiasa vola ho fampiroboroboana ny toekarena eto an-toerana mihitsy. Zava-dehibe anisan’ny nivoitra nandritra ny fihaonana ihany koa ny fangatahan’izy ireo ny hahafahana mandray anjara amin’ny fifidianana rehetra izay hatao eto Madagasikara.
Olana sedrain’ny Mala­gasy milaravinahitra ireto koa, ny fikarakarana taratasy satria tsy misy masoivoho ao amin’ ny faritr’i Afrika afovoany ka voatery any Ethiopie no mikarakara taratasy. Nangataka ny hijeren’ny fanjakana malagasy izany olana izany, ireto diaspora ireto, nandritra ity fihaonana ity.

Mi.Raz

Partager sur: