Tokony hokatsahana aloha ny fahaleovantenan’ireo faritra tsirairay. Miroso mankany amin’ny fanjakana federaly avy eo, raha ny hevitry ny mpahay toekarena, Imbe Serge Jovial. «Mametraka fanjakana federaly i Etazonia, Allemagne, Suise noho izy ireo efa manana ny tanjany amin’ny lafiny ekonomia. Isika tsy mbola tonga amin’izany», hoy izy.
Tsy mbola misy resaka fanesorana ny filohan’ny Antenimierampirenena amin’ny asany amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’ny depioten’i Fenoarivo Atsinanana, omaly. «Manao ny asany izy. Mihatsara koa ny fifampitondrana ao anatin’izao Fanavaozana izao, saingy misy ireo tsy mahazaka ilay fanovana», hoy izy.
Anisan’ny maridrefy hijerena ny firosoan’ny fitsinjaram-pahefana ny fahafahan’ny kaominina sy ny faritra manome tolotra mifandraika amin’ny filan’ny vahoaka. Amin’ny alalan’ny fanetsehana ireo loharanon-karena ao aminy izany, araka ny nambarany, omaly tetsy Anosy. «Miroso amin’ny fanatsarana ny fahaiza-manao sy ny fampitaovana isika», hoy izy.
Nisokatra omaly ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Tanora (JIJ), any Fianarantsoa. Any an-toerana ny mpanolotsaina avon’ny Fanavaozana, ny Kly Andriamiharintsoa Gervais. Niara-nidinika amin’ireo tomponandraiki-panjakana any an-toerana ny tenany raha vao nigadona ho fanomanana sy fandrindrana ireo hetsika amin’izao fihaonan’ny tanora izao.




