Nitondra fanazavana ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, momba ireo fifidianana nifanesy teto amintsika. Nambarany tamin’izany ireo olana sy ny lesona horaisina.
Nambarany fa maneho ny lesoka sy ny lesona azo raisina tamin’ny fikarakarana fifidianana nisy teto amin’ny firenena ny fanazavany. Nolazainy koa fa niteraka korontana hatrany ny fifidianana notontosaina teto amintsika. Lasa niteraka olana satria tsy nisy ny fifidianana nadio sy nangarahara izany ka nanjary tsy noeken’ny rehetra nefa tokony ho vahaolana ny fifidianana, araka ny nambarany. «Maro ny lesoka tamin’ny fikarakarana noho ny tsy fanarahan-dalàna, na izany avy amin’ny mpikarakara eo anivon’ny Ceni na avy amin’ny kandidà izy tenany sy ireo mpomba azy», hoy izy.
Nohitsiny fa tena feno hosoka ny fifidianana hatrany am-piandohana ka hatramin’ny vokatra navoaka. Nanjaka ny kolikoly ka nanova ny safidim-bahoaka, araka ny nambarany hatrany. Niaiky koa ny tenany fa teo ny lesoka avy any amin’ireo rafi-pitsarana momba ny fifidianana. «Tokony ho antoka lehibe amin’ny fahamarinan’ny fifidianana anefa izany», hoy izy.
Hanao ny asany araka ny tokony ho izy
Notsindriny fa anisan’ny mahatonga ny ahiahy amin’ny fahaleovantenan’ny Ceni ireo voafidy na nomena andraikitra hiasa amin’io rafitra io. Izy ireo mihitsy no tsy manatanteraka na tsy mampiasa ny fahaleovantena omena azy, araka ny nambarany. Efa omen’ny lalàna fahefana hanenjika ireo mandika lalàna na minia manao izany ny Ceni saingy tsy nisy na iray aza ny mpikamban’ny Ceni, nanao fanadihadiana na nametraka fitoriana. Na izany aza, nambarany fa ny fitsarana ihany no manana fahefana manameloka sy manasazy. Nanome toky ny vahoaka ny tenany sy ny mpikambana eo anivon’ny Ceni fa hanatanteraka ny asany araka ny tokony ho izy amin’ny fahaleovantena ananany izay.
Synèse R.




