Afrobasket U18 – Ampahefa-dalana: Nofaranan’i Senegal ny lalan’ny Ankoay

Nifarana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana ny lalan’ny Ankoay Madagasi­kara, teo amin’ny fiadiana ny “Afrobasket”, lehilahy, sokajy U18. Resin’ny Lions de la Teranga-n’i Senegal, tamin’ny isa 54 no ho 40 ny Ankoay, omaly tao amin’ny kianja Polyvalente Treichville, Côte d’Ivoire. Niady ny fihaonana saingy nanantombo teo amin’ny vatana ny senegaly, nahitana an’i Elhadji sy i Fallou ary i Diallo. Porofon’izany, nitarika tamin’ny isa lavitra, 15 no ho 9 izy ireo, teo amn’ny 10 mn voalohany. Niarina ary nanafainga ny lalao ny Ankoay ka betsaka ny baolina maty. Nitarika an’isa, 12 no ho 8 ry A’Ranty sy Emerick ary Tsiriniaina. Na izany aza, nitarika tamin’ny isa 23 no ho 21 ihany ry zareo senegaly, teo am-pialan-tsasatra.
Niditra teo amin’ny fizaram-potoana fahatelo. Nanao be fiavy ry zareo Senegal, ka nisesy ny baolina tafidiny. Tetsy andaniny, sahirana ny Ankoay namaky ny fiarovantenan’i Senegal. Nanantombo teo amin’ny “rebond offensif” sy “defensif” ihany koa ny Lions de la Teranga, izay lava. Hany ka zara raha nahazo baolina ny Malagasy. Tsy nahatafiditra afa-tsy baolina roa tamin’ny isa roa ihany ny Ankoay. Nitarika tamin’ny isa, 18 no ho 4 i Senegal, teo amin’­io 10 mn fahatelo io.
Teo amin’ny tapa-potoana fahefatra farany, nifehy ny lalao indray ny Malagasy. Nitarika an’isa hatrany saingy tsy nifanalavitra akory izany. Niezaka nanao izay ho afany hatrany ry Theidy saingy efa betsaka ny elanelana. Hiady laharana izany sisa ny Ankoay-n’i Madagasikara.

Tompondaka

Partager sur: