Tontosa ny alarobia lasa teo, tao amin’ny kianja Salzbourg, ny fiadiana ny “Super coupe de l’UEFA”, taranja baolina kitra. Fihaonan’ny Paris ST Germain, tompondakan’i Eoropa (ligue des champions) sy ny Aston Villa, tompon’ny amboara (Europa League). Lavon’ny parizianina, tamin’ny isa 2 no ho 1 ny ekipa anglisy. Nampiditra ny baolina voalohany ry zareo frantsay, tamin’ny alalan’i Khvicha Kvaratskhelia, teo amin’ny minitra faha-20. Nosahalain’ny anglisy izany, tany amin’ny fiafaran’ny fizaram-potoana voalohany ka nentin’ny roa tonta niala sasatra, io isa mitovy 1 no ho 1 io.
Fizaram-potoana faharoa, nifalamaliana ny fanafihana saingy nahay namadika ny isa ho azy ny parizianina, rehefa nampiditra ny baolina faharoa i Désiré Doué, tany amin’ny minitra faha-61. Mbola voatazon’ny Paris ST Germain (PSG) indray, araka izany, ity amboara amin’ny “Super coupe de l’UEFA”, ity izay efa teo am-pelantanany, tamin’ny taon-dasa. Amboara faha-13 kosa ho an’ingahy Luis Enrique mpanazatra ny PSG. Tsara fanombohana izany ny taom-pilalaovana ho an’ny parizianina. Tsiahivina fa notendren’ny UEFA, hitantana ny lalaon’ny PSG sy ny Aston Villa, ilay mpitsara somalianina, i Omar Artan. Izy izay tsaroan’ny rehetra fa voaroaka tsy nahazo niditra an’i Etazonia, nandritra ny “Mondial 2026” farany teo.
Tompondaka




