Afrobasket – U18 zazalahy : Faha-7 amin’ny ekipa 12 ny Ankoay Madagasikara

Teo ho eo ihany ny dingana vitan’ny Ankoay Madagasikara, nandritra ny fiadiana ny «Afrobasket », sokajy U18 lehilahy. Nitana ny laharana faha-7 ny Malagasy, nandritra izany. Fandresena telo sy faharesena telo ny vokatra azon-dry zalahy.

Nifarana omaly, tao amin’ny kianja Tchieville Abidjan, Côte d’Ivoire, ny fiadiana ny «Afrobasket», sokajy U18 lahy sy vavy. Laharana faha-7, tamin’ireo firenena 12 ny Ankoay Mada­gasikara, zazalahy. Fandre­sena telo sy faharesena telo no azon-dry zalahy. Raha tsiahivina, nandresy indroa ary resy indray mandeha tao amin’ny vondrona «B». Nan­davo ny Panthères-n’i Gabon, tamin’ny isa, 68 no ho 65 teo amin’ny andro voalohany avy eo nanilika ny Lions de l’Atlas-n’i Maroc 59 no ho 48 ho an’ny andro faharoa ary niondrika nanoloana ny Voromaherin’i Mali, 53 no ho 44. Nametraka ny Ankoay eo amin’ny laharana faharoa izany ka nahazoany ny tapakila hiatrehana ny ampahefa-dalana. Resin’ny Lions de la Teranga-n’i Se­ne­gal, tamin’ny isa, 54 no ho 40 teo amin’izany dingana izany.
Niatrika ny fiadian-toerana faha-5 saingy mbola lavon’i Tunisie, 86 no ho 51. Niady ny laharana faha-7, ny sabotsy lasa teo, ka nandresy an’i Tchad tamin’ny isa 69 no ho 42.

«Forfait » ny Ankoay vehivavy
Ankoatra izay, tsy afaka niatrika ny lalao ho an’ny fiadiana ny «Fiba 3 X 3 women’s series», sokajy vehivavy ny Ankoay Madagasikara, nahitana an’i Koloina sy i Sarobidy ary i Sydy niampy an’i Sam­batra. Lalao natao tany Sin­ga­pour ny alakamisy 13 sy ny zoma 14 aogositra lasa teo. Tsy tonga ara-potoana tany an-toerana ny delegasionina malagasy, noho ny olana teo amin’ny sidina tokony nitondra azy ireo. Araka izany, «forfait» tamin’ireo lalao roa tao anaty vondrona «A», izay tokony hifandonana tamin’ny Lion City sy i Indonesia.
Na teo aza izany, tsy mbola tapitra akory ny fifaninanana amin’ity «Women’s series» ity fa hitohy any Bangkok, ny sabotsy 22 sy ny alahady 23 aogositra ho avy izao.

Tompondaka

Partager sur: