Tapitra ny sabotsy lasa teo, ny dingana voalohany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra vehivavy. Anisan’ireo, tafita amin’ny fihodinana faharoa ny ekipan’ny Cosfa Football Club, solontenan’ny ligin’Analamanga nilalao tany amin’ny kianja Tsiroanomandidy. Misongadina ity ekipan’ny miaramila ity satria anisan’ireo zandriny indrindra izay vao 10 volana monja no niorenany. Tsy mena-mitaha amin’ireo klioba efa goavana raha ny zava-bita sy ny vokatra azon’izy ireo, nandritra ny fihodinana voalohany. Faharoa, ny laharana misy azy aorian’ny Ascuf. Saika fandresena hatrany ny azon’ity ekipan’ny miaramila ity. Nambaran’i Griffine Bakoliniaina, mpanao gazety manazatra ity klioban’ny Cosfa Football Club ity fa ilay toe-tsaina miara-miady no mampiavaka ireo mpilalao ary mampiatra ny taktika omena azy ireo. Mipetraka hatrany ihany koa ny fitsipika ho an’ny rehetra, na eny ambony kianja na eny ivelany. Mbola vonona hanatsara ny vokatra ary hiezaka handeha lavitra araka izay tratra izy ireo dia ny handrombaka ny amboara.
Tompondaka




