Lehilahy hita faty : Voaroba ny vola 2 tapitrisa Ar

Nanjavona tao an-trano nahitana ny vatana mangatsikan’ilay lehilahy ny vola mitetina 2 tapitrisa Ar, araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana eo anivon’ny sampam-pikarohana ny ady heloka be vava, afakomaly. Ahina ho nalain’ny olon-dratsy izay nahavita namono nahafaty an’i Nomenjana­hary Élysio ny vola, raha ny loharanom-baovao. Tsy hita nanomboka ny 10 aogositra lasa teo io lehilahy atao hoe Elysio io, raha ny angom-baovao. Nanapa-kevitra hanokatra ny trano fonenan’ilay voalaza tsy hita ny zandary misahana ny famotorana, ny 12 aogositra lasa teo. Hita faty teo ambony fandriana ilay nanaovana ombay mitady. Nisy ratra ny vatan’ity farany.
Nampiasa zava-manitra nanakomana ny fofona ny nahavanon-doza, araka ny hitan’ny mpitandro filaminana tao anatin’ny trano.

Sajo

Partager sur: