Tennis – Mada “1ère série”  : Lasan’ i Tsantaniony sy i Nicolas

Tontosa ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny kianja Acsa Ambohidahy, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara, taranja tenisy, sokajy rehetra. Anisan’ny fihaonana nandrasan’ny maro ny teo amin’ny sokajy “1ère série”, lahy sy vavy. Nisongadina i Tsantaniony Iariniaina sy Raharivony Nicolas izay samy mpilalaon’Analamanga.
Teo amin’ny vehivavy, lavony teo amin’ny famaranana, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/3 ; 6/1), Andriantefihasina Elisoa, mpilalao mipetraka any Etats-Unis. Ny seta voalohany ihany no afaka nanohitra i Elisoa. Nanantombo teo amin’ny famezivezena ny baolina na tamin’ny halavan’ny kianja na tamin’ny sakany i Tsan­taniony. Ny seta faharoa, nanao lalan-tokana ny fihaonana.
Ho an’ny lehilahy, lasan’i Nicolas, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/1 ; 6/1) ny fandresena nanoloana an’i Mbolanirina Hasina. Nanjaka tokana i Nicolas izay manana traikefa betsaka.

Tompondaka

HOY IZY IREO

-Nicolas (Analamanga) : Faly aho satria raha tompondaka lefitra tamin’ny taon-dasa, tamin’ity tompondaka. Anaram-boninahitra fahatelo azoko ity. Tombony ho ahy, ny tanjaka ary izahay mirahalahy koa mpilalao efa mifankahalala tsara.

-Tsantaniony (Ana­la­manga) : Tsy mora ny nahazo ilay fandresena. Naha­finaritra satria i Elisoa tsy mpilalao eto fa any ivelany dia mba niova mpifanandrina, tamin’ity. Ilai­na ny fampitomboana lalao ohatra ireny satria tsy ampy ny fihaonana eto an-toerana.

Partager sur: