Lahiantitra 73 taona naiditra am-ponja rehefa nanolan-jaza tsy ampy taona tao Mangarivotra Tsiroanomandidy, ny zoma 14 aogositra teo. Olona maro efa lasibatr’io lehilahy io, araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana.
Lavon’ny balan’ny polisy ny dahalo iray tao Andohaogny, kaominina Nandihizana, ny farany herinandro teo. Enin-dahy nangalatra omby ka natao fanarahan-dia. Nandositra ny dahalo naman’ity lavo ity.




