Tsy tana ny ain’ny lehilahy iray naratra mafy voatsindrona zava-maranitra teny amin’ny Vatobe-67 Ha, afakomaly. «Nentina teny anivon’ny hopitaly izy saingy tsy tana ny ainy rehefa tonga teny an-toerana», hoy ny fanazavana voaray avy amin’ny tompondraikitra miasa eo anivon’ny polisim-pirenena. Nisehoana tranga hafahafa teny 67 Ha ny harivan’ny sabotsy 15 aogositra, tamin’ny 6 ora sy fahefany. Tazan’ny olona manodidina nivembena toy ny olona mamo ny lehilahy iray.
Nianjera tamin’ny tany izy. Lavo saingy nanarin-tena indray ary nikiry hitsangana. Latsaka tao anaty fotaka ity farany. Nobatain’ny manodidina kanjo efa nisy ra ny vatany. Niainga ny akanjo teny an-kodiny ary niosin-dra ny faritry ny kibony. Nivoaka ny taova ary ahina ho voaletra tamin’ny antsy. Nisy antsy tapaka teny an-tanany.
Tsy nisy nipika
Tsy nisy nipika ny fitoeram-bola sy ny finday teny amin’ity lehilahy hita faty ity. «Ny telefaonina teny aminy ihany no nahafahana niantso ny fianakaviany», hoy ny polisy. Nahitana karapanondrom-pirenena roa izay sary saika mitovitovy endrika tamin’ilay lehilahy avokoa teny aminy. «Tsy fantatra mazava hatreto raha toa ka nisy nanendaka izy», hoy ny fanampim-panazavana avy amin’ny polisy. Ny vola sy ny telefaonina izay samy mbola teny aminy avokoa. Ahina ho vonoan’olona tsotr’izao ity niseho, afakomaly ity. Manoloana izao tranga izao, miroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Mitohy ny fanamafisana ny ady ataon’izy ireo amin’ny tsy fandriampahalemana indrindra amin’ireo toerana voasokajy ho faritra mena eto an-dRenivohitra.
Tsiferana R.




