Notokanana sy nosokafana ny faran’ny herinandro teo ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka ao amin’ny Faritra Boeny.
Amin’ny maha stratejika eo amin ny lafiny toekarena ity faritra ity, miandry ny polisim-pirenena miasa ao amin’ity fitaleavam-paritra ity ny fametrahana tontolo milamina ahafahana mampiroborobo ny fandraharahana, tsy ho tombontsoan’ny Faritra irery fa ho an’ny firenena iray manontolo.
Manan-danja ny lafiny fiharian-karen’ny Faritra Boeny. Mifanindran-dalana ao ny sehatra maro: fitaterana an-dranomasina sy an-tanety, fizahantany, jono, varotra sy ny fampiasam-bola isan-karazany. Na teo aza ny fanamby efa natao momba ny fitandroam-pilaminana, tsy maintsy hohamafisina ny ady amin’ ny asan-jiolahy, ny fanafihana mitam-piadiana, ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, ny famarinana olona ary ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena .
Manoloana ireo, mila hentitra ny fanjakana ao anatin’ny fanajana ny lalàna sy ny zon’ olombelona. Hampanakaiky kokoa ny polisy amin’ny vahoaka ny biraon’ny fitaleavam-paritra. Hampitombo koa ny fahafahana misoroka ny heloka bevava sy hanatsarana ny fandrindrana ny filaminana ao amin ny Faritra. Toromarika nomen’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, IGP Eric Michel, ho an’ny tomponandraikitry ny polisim-pirenena ao Boeny ny fampitomboana ny fisian’ny polisy amin’ ny toerana marefo sy betsaka fivezivezena. Fanatsarana ny kalitaon’ny fandraisana sy fiarovana ny olom-pirenena ary ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny ady amin ny kolikoly sy ny fihetsika manimba ny hasin’ny polisim-pirenena. Eo koa ny fiaraha-miasa amin’ny fitsarana, ny Tafika, ny zandarimariam-pirenena, ny vondrombahoakam-paritra ary ny fokonolona. Nambarany ho an’ny vahoakan’i Boeny fa andraikitra iombonana ny filaminana ka ilaina ny fanomezan-tanana avy amin’ny olom-pirenena amin’ ny fanomezam-baovao ara-potoana sy ny fanajana ny lalàna.
Vonjy




