Fianarantsoa: Lehilahy tratra nanolan-jazalahy

Nosamborin’ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny CSP Ankofafa ny lehilahy nanolan-jazalahy 12 taona tao Fianarantsoa, omaly maraina. Nanaovan-drangahy ny filan-dratsiny ilay zaza tsy manan-tsiny tokony ho tamin’ny 3 ora maraina. Mody nilaza hitady ny renin’io zaza io ity lehilahy nahavanon-doza ity ka niditra ny trano. Ny renim-pianakaviana izay tsy tao an-trano nandritra ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy 17 aoagositra. Nipetraka irery tao an-trano, niharan’ny heriseratra ilay zazalahy. Notapenana ny vavany ka tsy navela hamoaka feo ho ren’ny manodidina. Nahita hirika niantsona vonjy tamin’ny manodidina anefa ity farany. Nahare ny hiakiaka nataon’io zaza io, nikoropaka ny mponina manodidina. Tratra teo am-panatanterahana ny teti-dratsiny ilay rangahy. Nosamborin’ny mpitandro filaminana izy. Nentina nanaraka fitsaboana eny anivon’ny hopitaly ny zaza lasibatra.

Tsiferana R.

Partager sur: