Fiara tapaka hisatra : Mpandeha 4 namoy ny ainy, 34 naratra

Olana tampoka teo amin’ny hisatra, nitarika loza ka namoizan’aina olona efatra, tao Ambalavaokely, PK419+100, afakomaly.

Tsy tana ny ain’ny efatra tamin’ireo mpandeha tra-doza tao anatin’ny fiara nivadika teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, PK419+100, tao amin’ny tetezan’Ambalavaokely, distrikan’i Vohibato, afakomaly. «Tsy nahazo tampoka ny hisatra tamin’ilay fiara. Ani­san’ny nitarika ny loza», hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ ny vondron-tobim-paritra eo anivon’ny zandarimaria mia­sa ao Fianarantsoa, oma­ly. Ni­haran-doza tampoka ity fiara nitondra mpandeha miisa 38 ity rehefa avy namonjy fotoam-pivavahana teo anivon’ny Toby Lehibe Manolotrony, ny alin’ny alahady 16 aogositra, tamin’ny 10 ora alina. Nivoaka ny lalana ny fiara ka nivadika. «Handeha hamonjy fodiana any Isandra ireo olona tra-doza ireo», hoy ny fanampim-panazavana. Mafy ny dona nihatra tamin’ny mpandeha sasantsasany ka nitarika fahavoazana. Nezahin’ireo nanatri-maso nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ireo tena voa mafy. Namoy ny ainy anefa ny efatra noho ny ratra sy fahavarezan-drà be loatra nahazo azy ireo. Mana­raka fitsaboana eo anivon’ny hopitaly Tambohobe Fiana­ran­tsoa ireo naratra izay marihina fa tsy misy ahina ny ainy.

Maty tampoka
Renim-pianakaviana avy nanao tafika masina nitambotsotra tampoka tao anaty taksiborosy teo Andranomane­latra, RN7, PK147, omaly. Hitodi-doha hamonjy ny fianakaviany, taitra tampoka vokatry ny fahafatesan’ny mpiara-mivavaka aminy, ilay ramatoa. Tsy niverina koa anefa ny ain’ity farany. Nijanona ny fiara ni­tondra azy ary niroso tamin’ny fikarakarana ny nofo manga­tsiakan’io namoy ny ainy io ny tomponandraikitra. Ankoatr’io, mpamily kamiao nosokirina tao anatin’ny fiara nentiny teny amin’ny RN2, omaly. Nivadika ny fiara ka nibahana ny arabe. Nitohana nandritra ny ora maro ny fifamoivoizana. Raha tsiahivina, matetika hi­trangana lozam-pifamoivoi­zana ny ankamaroan’ireo lalam-pirenana tato ho ato. Ilaina hatrany ny fitandreman’ ny mpamily sy ireo mpampi­asa lalana rehetra hisorohana ny loza.

Tsiferana R.

Partager sur: