Mpitondra mahalala vahoaka

 

Ny mpitondra no manjaka dia ny vahoaka. Ny vahoaka no antom-pisian’ny fitondram-panjakana. Tsy mety ho marin-toerana sy maharitra eo amin’ny toerany sy ny fahefany ny mpitondra, raha vao ratsy, toerana, amin’ny ny vahoaka. Araka izay hetahetam-bahoaka ve, ohatra, ny ataon’ny mpitondra? Na sanatria fiarovan-toerana
fotsiny, na famalifaliana vahoaka, na fisehoana ho manao sy mahavita zavatra… Efa niseholany teto amin’ny tany sy fanjakana avokoa izany rehetra izany nandritra ny taona maro, tamin’ny mpitondra nifandimby, anisan’ny nahatonga ny krizy na korontana politika miverimberina teto hatramin’izay.
Tena mahafantatra sy mahatakatra ny olan’ny vahoaka ve ny mpitondra? Indrindra ny hetahetany, izay mety ho vitany amin’ny hoe fampandrosoana… Amin’izany, tsy famalifaliana no atao. Na fampanginana na famitsahana azy tsy hitabataba na hihetsika… Famonoana afo? Tsy inona fa famitahan-tena amin’ny hoe manaiky matoa
tsy miteny. Mba marina? Lazain’ny mpandinika sasany, ohatra, fa tsy manaiky ny Malagasy matoa tsy miteny na manarom-bava amin’ny lamba tafiany. Matoa izy miteny, tsy te hanan-dratsy ka mitsikera hanatsarana zavatra. Matoa izy mangina sy tsy mihetsika, miala sy manaja tena amin’ny toe-draharaha: tsy maha tomponandraikitra azy?
Raha izany, mety amitaka ihany ny fahanginana sy ny tsy fihetsehan’ny vahoaka, lazain’ny mpanao politika sasany hoe hendry ny Malagasy. Dia hararaotina, sanatria… Na heverina ho bodo sy bado, dia entina toy ny zaza, sanatria. Nefa rehefa mby amin’izay tsy zakany dia mampiaka-peo sy mihetsika. Tsy fanakorontanana fa fitroarana sy firohotana ho amin’ny fanatsaran-javatra. Aminy, misy fetrany ny fiaretana sy ny faharetana. Mahalala sy mahatakatra izany ve ny mpitondra?

R. Nd.

Partager sur: