Fifaninanana hanasongadinana ireo atleta manana fahasembanana mendrika hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny sehatra iraisam-pirenena na amin’ny ranomasimbe Indianina Paralympique. Lalao hatao etsy Mahamasina.
Omaly, notoloran’ny minisitry ny Mponina fanampiana ara-pitaovana ireo olona manana fahasembanana mifaninana ara-panatanjahantena ireo. Vary 15 gony sy kidoro 30 isa no nomena tamin’izany.
« Tsy fifaninanana ara-panatanjahantena fotsiny izy io fa fanehoana firaisankina, fahasahiana, faharetana ary finiavana asehon’ireo mpifaninana ihany koa », hoy ny minisitra. Hetsika manaporofo fa tsy misy fetra ny nofinofy rehefa misy ny finiavana sy ny fahavononana.
Misy avy any amin’ny faritra mandray anjara amin’ity fifaninanana ity. Maro ny ezaka nataon’ny tsirairay ka tonga amin’izao fifaninanana iraisam-pirenena izao. “Nisy ny fanazarantena, fiomanana, sedra, havizanana, fotoan-tsarotra nolalovana”, hoy ny filohan’ny Federasiona. Ohatra tsara ho an’ny ankizy sy ny tanora manerana ny Nosy no asehon’izy ireo.
Tatiana A




