Raha fahasimbana fiara sy kojakoja momba ny fiara mpitatitra olona mampiasa ny lalam-pirenena fahadimy (RN 5) no nalaza teo aloha, noho ny faharatsian’ny fotodrafitra, miova indray izany ankehitriny.
Saika lozam-pifamoivoizana, fiara sy moto, izay mitarika faharatrana olona maro vokatry ny fandehanana mafy noho ny fahatsaran’ny lalana ka tsy mahafehy ny hafainganam-pandeha ny mpamily no mateti-pitranga. Vokany, ny sabotsy sy alahady teo fotsiny, lozam- pifamoivoizana telo no hita tamin’iny lalam-pirenena iny. Voalohany, taksiborosy Sprinter, nitondra mpandeha ho any Fenoarivo no nivadika mialoha ny hidirana ny tetezan’i Tanambao, Nosy Be, P.K 25 miala an’i Toamasina. Mpandeha maro naratra. Faharoa, teo anelanelan’Antaratasy sy Foulpointe, fiara tsy mataho-dalana nitondra ny vady aman-janaky ny lehiben’ny Faritra Analanjirofo no nivadika teo amin’ny PK 40, raha avy any Toamasina. Fahatelo, moto nivadibadika teo Antetezambaro. Naratra mafy ihany koa ny mpitondra azy. Tsy vao sambany izany fa efa maro ny trangana lozam-pifamoivoizana vao vita iny lalam-pirenena fahadimy iny. Ny fanadihadiana no nanome antony vitsivitsy toy izao : ny ankabetsahan’ ny mpamily taksiborosy rezionaly mampiasa ny RN 5 dia tsy nandalo sekoly fianarana ho mpamily fiara. Mpanera ireo taloha no lasa mpamily mpanampy ary eo anelanelan’ izay no ianarany ho mpamily. Mividy ny taratasy fahazoana hamily fiara avy eo ary mitondra fiara taksiborosy ka tsy mahay ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy ny fepetra rehetra ilaina eny amin’ny lalam-pirenena. Tsy manana fahalalana sy fahaiza-manao amin’ny fitateram- bahoaka, izy ireny, noho izany. Entin’ny fizahozahoana fa tsara ny lalana ka tsy mihevitra akory ny ain’olona maro izay entiny ka lasa manaotao foana, hoy ny angom-baovao.
Sajo




