67 Ha : Roa lahy voasambotry ny miaramila

Vehivavy iray mpiray tsikombakomba sy mpanendaka roa lahy voasambotry ny miaramila mpanao fisafoana alina teny amin’ny faritry 67 Ha, omaly maraina. Voaroban’ny olon-dratsy ny finday teny amin’ny olona roa, tamin’io andro io. Niroso avy hatrany tamin’ny fikarohana ny nahavanon-doza ny mpitandro filaminana niatrana an-kianja. Voasambotra ny roa lahy ahina ho tompon’antoka. Natao fisavana, sarona teny amin’izy mirahalahy ny finday avy nangalariny. Ankoatr’azy ireo, vehivavy iray hafa mpiray tsikombakomba noraisim-potsiny taorian’ny fanadihadiana. Nentina teny anivon’ny CSP7 avy hatrany ireo olon-dratsy ireo. Atao famotorana alohan’ny hitondrana azy ireo eo anatrehan’ny fampanoavana. Raha tsiahivina, lehilahy iray namoy ny ainy rehefa voatsatoka antsy teo amin’ny faritry ny kibony, ny sabotsy 15 aogositra lasa teo. Nivoaka ny tsinain’ity farany izay voalaza fa novonoin’olon-tsy fantatra tsotra izao. Tavela teny aminy ny antsy sy ny finday niampy ny fitoeram-bola, araka ny fanadihadiana nataon’ny polisy.

Tsiferana R.

Partager sur: