Olona iray namoy ny ainy tamin’ireo lozam-pifamoivoizana 21 niseho tao anatin’ny herinandro, teto Antananarivo Renivohitra. Olona 20 naratra.
Namoizana ain’olona iray ny lozam-pifamoivoizana nitranga teto amin’ny tanànan’ Antananarivo, nanomboka ny herinandro ny 10 ka hatramin’ny 16 aogositra lasa teo. Mateti-pitranga ny loza an-dalambe tato ho ato, araka ny tatitra voaray avy eo anivon’ny polisim-pirenena. Loza miisa 21 no niseho teto an-dRenivohitra, naharatrana olona avokoa ny 14 tamin’izany, raha ny fanamafisana voaray avy eo anivon’ny seraseran’ny polisim-pirenena. Nateraky ny tsy fitandremana na ny fahamamoana kosa ny iray. Tafakatra 20 isa ny olona naratra vokatr’izany. Anisany ilay mpitondro moto nofaohan’ny mpitondra moto iray hafa teny amin’ny Rocade Iarivo, afakomaly. Nandritra ny loza voarakitra tao anatin’ny herinandro, namoy ny ainy ny iray tamin’ireo niharan-doza ary voa mafy ny olona iray hafa. Simba tanteraka ny fitaovam-pitanterana toy ny fiara sy ny moto miisa telo.
Hafainganam-pandeha
Miantso ny mpamily fiara sy ny mpitondra moto rehetra hanaja ny hafainganam-pandeha sy hanaja ny lalàn’ny fifamoivoizana ny mpitandro filaminana misehatra eny an-kianja. «Tokony tsy hisotro zava-pisotro mahamamo alohan’ny hitondrana fiara na kodiaran-droa ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana sy ho fiarovana ny tsirairay», hoy ny polisy. Raha tsiahivina, lasibatry ny lozam-pifamoivoizana avokoa tato ho ato ny ankamaroan’ny fiara avy amin’ny faritany hiditra ny Renivohitra na koa hivoaka hitondra mpiala sasatra hihazo ny faritany. Manamafy ny fanaraha-maso eny an-dalambe ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.




