Mitentina 35 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola natokana ho an’ny fanarenana ny ampahany amin’ny lalana mampitohy an’i Vahibe sy Mananara Avaratra. Hanohana an’i Madagasikara, amin’izany, ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena aty Afrika (Badea). Tonga eto Madagasikara ny delegasionan’ity banky ity, ka nidinika tamin’ny minisitry ny Asa vaventy, Dr Rafefimanana Sambilason Richard, omaly, tetsy Anosy. Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ny fihaonana. Nisongadina manokana ny sehatry ny fanorenana sy fanatsarana ny fotodrafitrasa. Anisan’ireo lohahevitra lehibe noresahina ny tohin’ny fanarenana ny RN5. Taorian’ny fanarenana ny tapany voalohany mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Vahibe, mitodika amin’ny tapany faharoa, Vahibe–Mananara Avaratra indray ny tetikasa. Mirefy manodidina ny 40 km ity tapany faharoa ity, hisitraka ny famatsiam-bola vaovao avy amin’ny Badea, mitentina 35 tapitrisa dolara, ny fanatanterahana ny lalana mirefy 25 km. Ho fanohizana izany, hanomboka ihany koa ny fanadihadiana ara-teknika momba ny ampahany manaraka ny RN5, manomboka ao Mananara Avaratra hatrany Antalaha.
Henintsoa




