Fikambanana Mouvement pour la différence: Nametraka drafitrasa ho an’ny taona 2026-2029

Namaritra ny drafitrasany ho an’ny efa-taona manaraka (2026-2029) ny Mouvement pour la différence (M4D) nitondra ny anarana Autisme Madagascar teo aloha, araka ny fanazavana nentin’ny mpitantana ny fikambanana, omaly.

Tanjona ny hampandroso ny fampiatiana ny olona manana fahasembanana sy hafakely eto Madaga­sikara. Ho voasahana koa ny olona varira, ireo manana vatana fohikely, olona manana fahasamihafan’ny rafitra ara-tsaina.
Efa manana sampana amin’ny faritra 10 ny fikambanana, miaraka amin’ny mpikambana 800 ary miasa eo ambany fiahian’ny Maison de l’autisme eto Antananarivo. Mpitarika ho an’ny aty amin’ny faritry ny ranomasina Indiani­na ity farany. Hiompana amin’ ny sahan’asa dimy ny drafitrasa ka voalohany amin’izany ny fanamafisana ny fisitrahana fitiliana mialoha sy fitsaboana momba ny fikorontanana eo amin’ny fivoaran’ny atidoha sy ny fahasamihafana ara-jenetika. Faharoa ny fiarovana ny zo ara-pananahana sy ny fiarovana amin’ny herisetra sy ny fanilikilihana. Fahatelo ny fampivoarana ny fahaleovantena ara-tsosialy sy ara-toekaren’izy ireo, mba hampihenana ny fiankinandoha amin’ny hafa. Fahefatra ny fahazoana antontanisa nasionaly azo antoka ahafahana manao adisisika. Ary farany ny fampidirana ny fahasembanana ao anatin’ny paikady rehefa misy hamehana na voina miseho, toy ny loza voajanahary.
Manentana ny mpiray ombon’antoka rehetra ny fikambanana M4D hanohana ny fanatanterahana ny drafitrasa. Hitondra fivoarana sosialy amin’ny fametrahana toeram-pandraisana sy fitiliana any amin’ny faritra, hampiroboroboana ny fandraisan’ny sehatra tsy miankina ireo olona manana fahasembanana izany. Fi­taovana iray ahafahan’ny rehetra, mpamatsy vola, orinasa, rafitra… mampandroso miaraka ny fampiatiana ny drafitrasan’ny M4D.
Fikambanana malagasy misehatra ho an’ny fiovana sosialy sy fampiatiana ny olona manana fahasembanana ny M4D. Andraikiny ny manentana ny Malagasy hanaiky ny fahasamihafana amin’ny alalan’ny asa.

Vonjy

Partager sur: