Mpilatsaka an-tsitrapo roa avy amin’ny Jica (JOCV) nahavita ny asa nanirahina azy ireo teto Madagasikara ary hitodi-doha any Japon amin’izay no nisaoran’ny masoivohon’i Japon, Sem Tojma. Naharitra roa taona izy ireo no niasa teto.
Mpiasa an-tsitrapo misahana ny fampandrosoana ny fiarahamonina, tao amin’ny foibem-paritry ny fambolena sy fiompiana ao Analamanga, i Shimizu Hanae. Nanampy ireo vondron’olona eny ambanivohitra, indrindra ireo faritra mbola tsy ampy fotodrafitrasa izy nanatsarana ny fari-piainan’ireo mpamboly.
Nanampy tamin’ny famolavolana hevitra, ny fandaminana fiaraha-mientana ary ny fanatanterahana asa mivaingana ataon’ny mponina sy ho tombontsoan’ireto farany ihany koa izy.
Mpiasa an-tsitrapo misahana ny baolina kitra, tao amin’ny sampandraharahan’ny tanora sy fanatanjahantena, tamina kaominina iray kosa i Iwano Kuranosuke. Nandray anjara tamin’ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena sy ny fanabeazana amin’ny alalan’ny baolina kitra izy. Nanohana ireo ekipa zazalahy sy klioba tao an-tanàna ka nifantoka tamin’ny fivelaran’ny tanora sy ny soatoavin’ny fifanajana amin’ny fanatanjahantena, ny fifehezan-tena ary ny fiaraha-miasa izany.
Tatiana A




