Naneho hevitra ny profesora Rajaonson Hugues, mpahay toekarena sady mpampianatra mpikaroka. Nasiany teny ny mahakasika ny hetra alain’ ny fanjakana amin’ny orinasa tsy miankina. Aminy ny hetra, ankehitriny, dia mamono ny orinasa, ny asa, ny vahoaka ary ny firenena. Antony, be loatra ny karazan-ketra alaina. Vokany, tsy afaka mivoatra ny orinasa ka maty ary tsy misy ny asa ho an’ny vahoaka. Tsy hivoatra ho indostria ny fambolena raha tsy manana politika amin’izany ny fanjakana. Tsy hivoatra ny fambolen’ny tantsaha. Tsy hivoatra ny sehatry ny indostria, fa mijanona ho orinasa madinika sy salantsalany foana. Tsy mamokatra harena ho an’ny firenena fa vao mainka miteraka fatiantoka.
Mpampiasa vola
Vahaolana naroson’ny Pr Rajaonson Hugues ny hametrahan’ny fanjakana tontolo toekarena mahasarika ny mpampiasa vola. Mba hahafahan’ny orinasa eto an-toerana mivelatra sy manavao ny fihariany, hampiroborobo ny famokarana izany. Eo koa ny politika mazava momba ny fampiroboroboana ny fambolena ho lasa indostria. Miantraika mivantana amin’ny orinasa ny fanapahan-kevitra ara-ketra ataon’ny fanjakana. Mipaka any amin’ny orinasa madinika mpamokatra miankina amin’ireo mpampiasa vola vahiny sy vaventy izany.
Njaka A




