Mitohy ny fahitana olona maty. Tovolahy iray niara-nisotrosotro tamin’ny namany tao amin’ny fanaovana Karaoké iray eny Bongatsara indray no hita faty tao amin’ny toeram-pivoahana, afakomaly maraina. Mandeha ny fanadihadiana.
Novonoina tamin’ny alalan’ny zava-maranitra, tovolahy 21 taona hita faty teo am-baravaran’ny toeram-pivoahana anatin’ny Karaoké iray ao Antetezana, fokontany Ambohibao, kaominina Bongatsara, afakomaly maraina. «Niara-nisotrosotro tamin’ny vehivavy iray izy», hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria miasa ao Andoharanofotsy. Nisy lehilahy izay voalaza fa olona akaiky an’io vehivavy io nifanditra tamin’ity lehilahy namoy ny ainy ity. «Nitrangana disadisa tao amin’io toerana io talohan’ny nahafatesan’ilay lasibatra», araka ny fanazavana. Tsy manana fifandraisana ity lehilahy namoy ny ainy ity sy ilay vehivavy.
«Niara-niala voly tao amin’ ilay fanaovana karaoké izy roa», hoy ny loharanom-baovao. Voalaza ho nifanditra tamin’ilay lehilahy lasibatra anefa ny lehilahy iray hafa voatondro ho sakaizan’ilay vehivavy.
Voatazona
Hita tao amin’ny toeram-pivoahana anatin’ilay fanaovana karaoké ilay lehilahy, ny marain’ny alahady, tamin’ny 3 ora. Nosamborin’ny zandary natao fanadihadiana ny vehivavy voatondro ho niaraka taminy tamin’io fotoana io. «Tsy mbola misy olon-kafa voatazona ankoatra an’io vehivavy io, hatreto», araka ny fanamafisan’ny zandarimaria misahana ny fanadihadiana. Karohina ilay lehilahy izay voatondro ho olona akaiky an’ity vehivavy voasambotra ity. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.
Tsiferana R.




