Notanana vonjimaika any am-ponja avokoa ireo enina mianadahy mpanendaka eny amin’ny faritra Ankasina sy 67 Ha, taorian’ny fampanoavana, ny zoma 21 aogositra teo. Nitrangana fanendahana teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be, Vatobe 67 Ha, ny marain’ny alakamisy 20 aogositra lasa teo, tamin’ny 4 ora. Olona miisa roa voaroba ka nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny CSP7. Niroso tamin’ny fanenjehana ny nahavanon-doza avy hatrany ireto farany. Olona miisa telo tra-tehaka. Niainga tamin’ireo voasambotra ny fanadihadiana. Nitohy nandritra ny 20 aogositra ny fikarohana ireo olona hafa voatonona anarana. Tafakatra enina ireo voasaringotra tamin’ity asa ratsy teny an-toerana ity. Fanaon’ity tambajotra mpanendaka olona ity ny miandry ireo olona miainga vao maraina eny amin’ny faritra 67 Ha sy ny manodidina iny. Vehivavy ny iray tamin’izy ireo. Samy natolotra ny fampanoavana taorian’ny fakana am-bavany ka voatazona eny Antanimora avokoa. Tsiahivina, voasokajy ho anisan’ny faritra mena amin’ny asa fanendahana sy sinto-mahery amin’ny manodidina ny 67 Ha.
Tsiferana R.




